Mandako Ianao (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Faniriako ry Tompo ô! faniriakoNy hitampify eo akaikinao
Eo mantsy no ahitako fifaliana
Ka avelao aho mba hifikitra eo
Sambatra aho manana Anao
Tompoko sy Adriamanitro
Ka raha misy mampahory
Tsy mba ahoako akory
Manana Anao ka matoky
Sitrapoko, Tompo ô! Sitrapoko
Ny hanara-dia Anao n'aiza n'aiza
Ka ento aho hanaraka Anao
Ka zay misy anao dia hisy ahy
Inty aho Tompo hanao ny sitrakao
K'aza misalasala fa iraho aho
Fa namako Ianao, tsy foiko Ianao
Manana Anao aho Tompo ô!
Mana-namana
Fa ampingako Ianao, fiarovako ianao
Vatolampy iorenan'ny foko Ianao ry Jesoa malala ô!
Mandako fa Andriamanitro Ianao
Namako sady Tompoko Ianao
Ary tsy ho foana Tompo ô! Ny fanantenako
Raha mbola Ianao no eo anilako eo
Mbola hamafisiko eto indray
Fa tiako Ianao Tompo ô!
Fa namako Ianao, Tokiko Ianao
Tompoko Ianao...Andriamanitro Ianao
A/C: Nirina RANOELISON (Ni)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)Vangy : 9
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : 586b
Daty : 03/02/2026 12:37
