Mandako Ianao (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Faniriako ry Tompo ô! faniriako
Ny hitampify eo akaikinao
Eo mantsy no ahitako fifaliana
Ka avelao aho mba hifikitra eo
Sambatra aho manana Anao
Tompoko sy Adriamanitro

    Ka raha misy mampahory
    Tsy mba ahoako akory
    Manana Anao ka matoky

Sitrapoko, Tompo ô! Sitrapoko
Ny hanara-dia Anao n'aiza n'aiza
Ka ento aho hanaraka Anao
Ka zay misy anao dia hisy ahy
Inty aho Tompo hanao ny sitrakao
K'aza misalasala fa iraho aho

   Fa namako Ianao, tsy foiko Ianao
   Manana Anao aho Tompo ô!
   Mana-namana
      Fa ampingako Ianao, fiarovako ianao
      Vatolampy iorenan'ny foko Ianao ry Jesoa malala ô!
         Mandako fa Andriamanitro Ianao
         Namako sady Tompoko Ianao

Ary tsy ho foana Tompo ô! Ny fanantenako
Raha mbola Ianao no eo anilako eo
Mbola hamafisiko eto indray
Fa tiako Ianao Tompo ô!
Fa namako Ianao, Tokiko Ianao
Tompoko Ianao...Andriamanitro Ianao

                                   A/C: Nirina RANOELISON (Ni)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.08