ITOY AHO ABA (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Itoy aho Aba, itoy ‘zaho toy, itoy aho fa manohy
Tsy mendrika intsony fa mba tafio gony
Nandeha nirenireny tsy tanilan-dRay aman-dReny
Hananiky io aho fa voa vao mahatsiaro ny taloha

Itoy aho Aba, itoy ‘zaho toy, itoy ‘lay gnanakinao Nanainga ny tanàna nampitomany an’i Mama
Haiko fa tianao ‘zaho, haiko fa maminao ‘zaho
Haiko fa tsy foinao ‘zaho, fa ny hadalako avao
No nahatonga izao fahafatesanao, Ouh! Ouh! Ouh !

Ny ditra sy ny hadalàko avao no nahafaty anao e !
Tambonin’ny hazofijaliana aleoko ‘zaho hangina
Izaho te-hitomany, handay anay aia anefa izany
Fa ny Famindram-ponao avao, ro ambesako eto izao

A/C: RANOELISON Nirina (Ni)
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/apkm-antsa-piderana-katedraly-mahajanga/itoy-aho-aba
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)
Vangy : 106
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Manou2108
Daty : 12/01/2023 10:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0666