DIA IZANY VE RY RAY (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vao mifoha izahay
Mihodina sahady eo ny saina
Maminay izay hahitana indray
Izay sahaza ho tohan’aina

Tsy ny aina ihany no tohanana
Fa ao koa ity vatana ity
Mila tafy mba hananana
Bika maha te ho tia

Dia izany re Ray ô! na lala-
Hizaran’ny Fiainanay, adin’ny filan-dava izao
Mba rahoviana ihany no hiova eto an-tany
Ilay Paradisanao vaovao

Raha ny endrika ihany anefa
Mandeha ila ka aiza indray
Enti-mampirefarefa
Igagan’ny olona anay

Tolagaga izay mahita
Revo sambatra izahay
Mihevitra f’ireo zava-bita
Dia ampy ho amin’ny fiainanay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)
Vangy : 270
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Manou2108
Daty : 20/01/2023 09:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2873