Jesosy no hany antenaiko (APF TANGAINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesosy no hany antenaiko
Hanafaka ny gadrako
Jesosy no hany itokiako
Raha mbola ety, Hamonjy ahy Jesoa
Jesosy manafaka ota sy fiainana mandrakizay
Jesosy ô, Ianao no Tompoko

Jesosy ô ny foko sasao
Esory ny havona am-po
Ny loton'ny foko jereo, ota avokoa
Jesosy ô mifona Aminao
Ty zanakao efa nania
Jesosy ô! atolotro Anao

Jesosy ô! tsapako izao
Fa nijaly Ianao noho izaho
Nizaka ny eso, ny latsa
Ianao Jesoa, noho ny fitiavanao
Izaho ve mba ho zanakao
Lay mpanota tsy mendrika Anao
Jesosy ô! henoy izao vavako izao

Jesosy ô, ekeko izao
Ny anaraka ny dianao
Fa tiako ilay fanantenana atolotrao
Jesosy ô ampio aho e!
Sao sedra izao lalako izao
Jesosy ô! ianao no tokiko
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : APF TANGAINA
Hits : 221
Likes : 0 Like
Created by : Nomenasyaina
Date : 25/02/2025 13:23
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0708