VAVAKY NY MALAGASY (Anjomaran'ny Fitiavana)

Jesoa apetrakay ho eo am-pelatananao
Ity Madagasikara,izay osa sy mbola mahantra
Nefa maro ireo harena,toy ilay tao saha Edena
Ooo tahio ny Malagasy,hankatò Anao hatrany

Raiko oo,henoinao re,izao vavaka hasandratray
Ka omeo fitahiana,ilay fahasoavanao no Irina
Ooo fongory izay mangeja,kiakin'ny Malagasy
Izay mitady famonjena,miantso mafy tsy voafetra

Fiv:
Eee mifona mitalaho,f'efa distononkira.serasera.orgo tsotr'izao
Omeo hery avy Aminao,handrosoan'ity nosy ity
Ka hiadana izahay re,ary handry fahizay

Tompo oo,ampariao,izao akom-bavaka izao
Ka tantano sy vimbino,ity vahoaka mitalaho
Ampianaro hiavo-tena,hanasoa ity firenena
Ka hanoa ny sitrakao,amin'izao sisa izao

Fiv: ...
Ka hiadana izahay,ary handry fahizay anie
Ka hatreto kosa indray le,ho vahoakanao izahay.

By Myhre Hajavolamena
A\C: RAZAFINDRAZAKA Handrisoa

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Anjomaran'ny Fitiavana
Mpamaky : 445
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : miorahajavolamena28
Tamin'ny : 29/04/2018 09:32:25
ID : 10566

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo