Tsara ny mihira ho an'Andriamanitra (Faneva faha 5 taona ny antoko mpihira Anjomaran'ny Fitiavana) (Anjomaran'ny Fitiavana)

Tsara indrindra Ianao ry Ray
Saotra dera no hasandratray re
Raiso fa mendrika Anao
Ny voninahitry ny Anaranao

Mampianara anay ry Jesoa
Ho tena miaramilanao
Tafio hery avy Aminao
Mba ho irakao hizara ny teninao

Ref: Haleloia, fa tsara ny mihira ho an'Andriamanitsika
Hitory hatrany, ny famonjena avy Aminao
No hany tarigetranay
Haleloia, fa tsara ny mihira ho an'Andriamanitsika
Hitory hatrany, ny famonjena avy Aminao
Ilay Anjomaran'ny Fitiavana

Ndreto izahay ry Tompo
Aoka hamiratra amin'ny finoana
Hamafy ny teninao, hanoa hatrany
Hanao ny sitrakao

Vonona hizara ny teny
Ka hiaina ny famonjenao
Hanolo-tena tokoa, ho mpianatrao
Ho mpiray lova Aminao

Ref: ....



Tonony sy feony : RAZAFINDRAZAKA Handrisoa
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/anjomaranny-fitiavana/tsara-ny-mihira-ho-anandriamanitra-faneva-faha-5-taona-ny-antoko-mpihira-anjomaranny-fitiavana-2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Anjomaran'ny Fitiavana
Vangy : 899
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : miorahajavolamena28
Daty : 11/06/2018 20:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2022 - page load 0.0668