You are here: home > Tononkira > AMFM

JESO BE INDRAFO (AMFM)

I] Ry Jeso Tompo ô be fitia areno ny dia
’Ty ondrinao dia diso re ka dia nania
Ifonako aminao re ry Tompo ka avelao
Raiso ho anao ’ty foko maloto ka sasao

Fa efa maty aho dia novelominao indray
latsaka am-potaka aho ka dia noraisinao
Diovy hisopa aho ry Tompo ka sasao
Hahaizako miorina eo anilanao

II] He sambatra aho ry Tompo Jeso fa manana anao
Manana aTsiky dia ampynao ’zay tsy mandao ka nanavao
Ny fiainanay ’zay simba sy lao mba havaozinao
Voasasanao ka aina vaovao no hiainako izao

Ry Jeso tompo ô henoy ’zato feoko
Fa be tokoa anie ny ratsy vitako
Esory tsy ho hitanao ny mariky ny otako
Mba omeo ahy re izato indrafonao

                                          
                                           RANDRIANJAKA Brillant de l’ Or

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AMFM
Mpamaky : 2029
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : AMFM
Tamin'ny : 10/11/2003 03:01:24
ID : 2093

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo