Iriany indrindra (AMFM)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao izay mandà foana ah!
Minia ny mandositra azy
Fotoana izao,sokafy ny fonao
Jesosy efa hatry ny ela no niandry anao
Ianao izay mandà foana ah!
Minia ny mandositra azy
Fotoana izao,sokafy ny fonao
Fa vonona izy ny handray anao


Iriany indrindra eh raha anio ou
No anokafanao ny fo
Tiany raha io ilay tranon'omby
Hivantanany ety.


(O o o)

Miandry anao,mitady anao ny Tompo
Tsy tiany ho very izao sy anao
Vohay ny fonao,mba hanjakany ao
F'izy no mpiahy ny fiainanao
×2

Iriany indrindra eh raha anio ou
No anokafanao ny fo
Tiany raha io ilay tranon'omby
Hivantanany ety.


Iriany indrindra eh!
--------
Rohy:
Hevitra
JosTina77 ( 24/03/2024 06:29)
Iriany indrindra eh
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMFM
Vangy : 122
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : JosTina77
Daty : 24/03/2024 06:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742