AMPELATANANAO (AMFM)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ampelatananao

Raha matoky an’Andriamanitra
Azoko antoka ny lanitra
Fa tsy mendrika ho ao an-dapa namboarinao
Ny ondry tsy miorina

Isan’andro aho mangataka
Sy miandrandra valimbavaka
Eny sambatra ny mino, tsy mahita Anao
Izany no fitiavana

Fa ny Ran’ny Tompo teo ambony hazo,
Efa nosotroiko, nanavotany
Raha ny fahoriany tsy voavidiko
Koa averiko indray :
Ankehitriny aho ity, izay isan’ny nania
Manondrika ny lohako indray
Ka hisotro ny farihy, ilay rano tsy mba ritra
Handiovako ny lova ratsiko
Ka haka ny endrikao, toy izay tianao
Raha very aho todiho
Fa ny fanahiko, AMPELANTANANAO

Izay miaritra ny farany
Hovonjena noho ny anarany
Ary izaho te ho isan’ny vosoratra
Handova ny lanitra

Raha reko ny antsonao
Mendrika ahy ny satro-boninahitra

Saina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMFM
Vangy : 2339
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Antsakely
Daty : 06/02/2014 12:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0815