JESO BE INDRAFO (AMFM)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I] Ry Jeso Tompo ô be fitia areno ny dia’Ty ondrinao dia diso re ka dia nania
Ifonako aminao re ry Tompo ka avelao
Raiso ho anao ’ty foko maloto ka sasao
Fa efa maty aho dia novelominao indray
latsaka am-potaka aho ka dia noraisinao
Diovy hisopa aho ry Tompo ka sasao
Hahaizako miorina eo anilanao
II] He sambatra aho ry Tompo Jeso fa manana anao
Manana anao ’zay tsy mandao ka nanavao
Ny fiainanay ’zay simba sy lao mba havaozinao
Voasasanao ka aina vaovao no hiainako izao
Ry Jeso tompo ô henoy ’zato feoko
Fa be tokoa anie ny ratsy vitako
Esory tsy ho hitanao ny mariky ny otako
Mba omeo ahy re izato indrafonao
RANDRIANJAKA Brillant de l’ Or
--------
Link: