Mamelà anay (AMEVIF(Efraima Vaovao FJKM Ifarihy Famonjena))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Inty aho manenina aho Tompo oh Tamin'ny adisoako
Fa tsy vitako izay rehetra sitrakao
Niniako tsy ho fantatra izay tena didinao
Nefa dia nataoko ihany
    Ref:mamindrà fo amiko Andriamanitra o
       Mamindrà fo fa tsy mendrika ho Anao
       Mamindrà fo araka ny fihantranao
       Mamindrà fo tamin'ny otako
  
    Diso taminao aho Jesoa mangataka famelana
    Mamindrà fo amiko Hianao Jesoa Tompoko
Aza esorina aminay ny Fanahy masina  Jesosy o
    Ampodio ho ahy ny famonjenao Ray

2/indro entiko eto Aminao ry Jesoa ireo otako
Ka koseho hiala amin'ny ranao soa
Diovy ho afa-keloka
Eo anatrehanao
Avelao reo otako
     Ref:Mamelà anay Hianao Jesosy o
        Mamelà anay ka diovy izahay
        Mamelà anay afaho ny otanay
        Mamelà ny helokay Jesoa
Miondrika eto anatrehanao
Zahay Jesoa mifona re
Mamela anay mifona eram-po Ray tsitoha
Aoka hitoetra aminay ny famindram-pona Jesosy o!
Araka ny anantenanay Anao


AMEVIF ( Efraima Vaovao)
Tonony sy feo : RAINIFARA Lota Laingita Zakaria
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AMEVIF(Efraima Vaovao FJKM Ifarihy Famonjena)
Hits : 438
Likes : 1 Like
Created by : AMEVIF (Efraima Vaovao)
Date : 21/07/2022 12:54
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1002