Mamelà anay (AMEVIF(Efraima Vaovao FJKM Ifarihy Famonjena))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Inty aho manenina aho Tompo oh Tamin'ny adisoakoFa tsy vitako izay rehetra sitrakao
Niniako tsy ho fantatra izay tena didinao
Nefa dia nataoko ihany
Ref:mamindrà fo amiko Andriamanitra o
Mamindrà fo fa tsy mendrika ho Anao
Mamindrà fo araka ny fihantranao
Mamindrà fo tamin'ny otako
Diso taminao aho Jesoa mangataka famelana
Mamindrà fo amiko Hianao Jesoa Tompoko
Aza esorina aminay ny Fanahy masina Jesosy o
Ampodio ho ahy ny famonjenao Ray
2/indro entiko eto Aminao ry Jesoa ireo otako
Ka koseho hiala amin'ny ranao soa
Diovy ho afa-keloka
Eo anatrehanao
Avelao reo otako
Ref:Mamelà anay Hianao Jesosy o
Mamelà anay ka diovy izahay
Mamelà anay afaho ny otanay
Mamelà ny helokay Jesoa
Miondrika eto anatrehanao
Zahay Jesoa mifona re
Mamela anay mifona eram-po Ray tsitoha
Aoka hitoetra aminay ny famindram-pona Jesosy o!
Araka ny anantenanay Anao
AMEVIF ( Efraima Vaovao)
Tonony sy feo : RAINIFARA Lota Laingita Zakaria
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : AMEVIF(Efraima Vaovao FJKM Ifarihy Famonjena)Visites : 436
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : AMEVIF (Efraima Vaovao)
Date : 21/07/2022 12:54