TONGA AMIN’NY TANANA (Amboaram-peo Mi-Ray)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Faly aho, faly aho eh mahita anao rahavako mirana
Fiderana sy fifaliana no iaonana e!
Mino aho fa ianao koa io efa vonona

Andriamanitra! Iray no asandratra
Anarana iray no! Ome-mboninahitra
Adinohy ireo! Manorisory
Ny tananao Leroy e! Asandrato ambony

Ao và ry zalahy e! Izahay efa pare
Ao và ny vahiavy e! Izahay efa O.K
Anaka-danitra ny feo sy ny anjomara
Haleoia, Hosana sy fiderana
Ao và ry zalahy e! Izahay efa pare
Ao và ny vahiavy e! Izahay efa O.K
Raha ny anio dia hafana e!
Hafana be!
Fa Jesoa Tompo no tonga e!
Tonga amin’ny tanàna

Fahasoavana sy fiadanana nomen’ny Tompo ireo manaraka azy
Ireo mafy fo sy mafy sofina hipitrapitra sy hangasiasy

Lova tsara no! Nomaniny hoa anao
Fitiavany soasoa maraina! Ho anao
Ny Anarany! Tokin’ny fiainana
Ny fanahiny e!
Harotsany Aminao

Ao và ry zalahy e! Izahay efa pare
Ao và ny vahiavy e! Izahay efa O.K
Anaka-danitra ny feo sy ny anjomara
Haleoia, Hosana sy fiderana
Ao và ry zalahy e! Izahay efa pare
Ao và ny vahiavy e! Izahay efa O.K
Raha ny anio dia hafana e!
Hafana be!
Fa Jesoa Tompo no tonga e!
Tonga amin’ny tanàna

Raha mahatsiaro ny tsara omaly
Ndeha raha hidera ny Tompo Tsitoha
Ndeha raha hidera amin’ny fo falifaly
Hisaotra sy hidera an’ilay Ray Tsitoha
Teo mantsy zatra nangataka foana
Ka rehefa nahazo dia indro fa mona
Tsy nanararaotra an’ilay hoe fotoana
Kanefa milaza fa hoe hoany foana
Ankehitriny tsy tapenam-bava fa andeha raha hidera sy hanavatsava
Hiakatra ihany ny ahavon’ny feo setrin’ilay fangatahana teo
Nangataka mantsy ka indro nahazo
Ka ndeha mba haneho an’ilay fifaliana

Na ny matanjaka na ny malazo
Ndeha raha hidera tsy tra-pahoriana e!

Hidera sa tsy hidera
Hidera x2
Hioby sa tsy hioby
Hioby x2
Andihy ve sa tsy andihy
Andihy x2
Omena sa tsy Omena
Omena x2

Anaka-danitra ny feo sy ny anjomara
Haleoia, Hosana sy fiderana
Fa Jesoa Tompo no tonga e!
Tonga amin’ny tanàna

Tonga amin’ny tanàna e!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-peo Mi-Ray
Vangy : 967
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mi-Ray
Daty : 25/02/2019 10:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073