Tsy hangina (Amboaram-peo Hoby Vontovorona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Key G
1-
[Tsy hangina ny ato am-poko fa hihira
Ny anaranao ry Tompo no ho torinay
mba ho ren'izao tontolo rehetra izao
fa Mpanjakan'ny mpanjaka Hianao.] ×2

Refrain :
Ny fiderana asandratray
ho anao ry Ray mandrakizay
Ny ventsom-po anatinay
ho anao Tompo Mpanjakanay.

1'
Fa ny tananao mahery no nitondra
ny fahasoavanao tsy niery fa nambomba.
Tsapanay tao am-ponay ny hafaliana
Ka hihira sy hankalaza Anao izahay.

2-
[Indraindray manonja mafy ny alon-drano
mitangorona ny rafy mihamaro,
Kanjo tonga Hianao mitondra famonjena
Ka hisinda hatreo ny zava-mampanahy] ×2

Refrain

2'
Fa ny tananao mahery no nitondra
ny fahasoavanao tsy niery fa nambomba.
Tsapanay tao am-ponay ny hafaliana
[Ka hihira sy hankalaza Anao izahay.]×3

A/C Herisoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-peo Hoby Vontovorona
Vangy : 556
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mangazaka2
Daty : 24/12/2019 20:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725