Resy lahatra (Amboaram-peo Hoby Vontovorona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Key G
1-
Nirenireny aho nanao ny hadalana
Nanao ny ditra sy izay tiako atao
Nandeha irery tsy nisy nandrara
tsy nahalala ny Anaranao
Kanefa indrisy mahantra indrindra
nitambesaran'ny ota natao
Tsy afa niala fa efa ho kivy aho
no indro tonga namonjy ahy Ianao.

Refrain :

Ankehitriny aho manolotena
Hanaradia Ilay Jesosiko
Natokako ho Azy ny fiainako,
ny herim-poko sy ny fananako.

2-
Nirehareha aho nahatoky hoe tafita
Ka nanamavo ny Anaranao.
Nanampimaso ninia tsy nahita
ny famonjena efa natolotrao
Kanefa indrisy tsy mbola nahita
ny fitsaharana hatram'izao
Ka very hevitra nipitrapitra
Miantsoantso ny Anaranao

Refrain:

Ny famonjena natolony
Manolo-tena aho mba ho olony
Tsy ho very intsony aho fa anilany
Ho ampelan-tanany ho vimbininy.

A/C Herisoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-peo Hoby Vontovorona
Vangy : 775
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mangazaka2
Daty : 24/12/2019 20:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1459