Ny fiainana (Amboaram-peo Hoby Vontovorona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
NY FIAINANA

RAHA NY ETO AN-TANY NY FIAINANA
MANDALO SADY TSY MAMPIADANA,
ILAY SATANA KOA MAMATOTRA
RAHA TSY EO JESOSY LAY MPANAFAKA,

FA TOY IZAO NO NITIAVANY,
NITIAVANY IZAO TONTOLO IZAO :
NAFOINY HO AVOTRA NY TENANY
HO FAMONJENA ANAO MPANIA,

RAHA TONGA AO AM-PONAO NY NENINA,
NY NANKAFY FIAINANA MIHELINA,
ANDEHA HITADY FITSAHARANA
MANDRAKIZAY TSY MBA MIFARANA,

NA DIA MPANOTA TSY MENDRIKA,
AVIA HENOY IZAO TENINY IZAO :
IZAY MINO AZY HANANA
FIAINANA MANDRAKIZAY, FIAINANA.

A/C : R. DESIRE ALPHONSE
©ILAYNANTENAINY
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Amboaram-peo Hoby Vontovorona
Visites : 250
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ilay7nantenainy
Date : 07/03/2023 07:58
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0773