Miasà (Amboaram-peo Hoby Vontovorona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Key D
1- Ô.......
[T-B]
Mitsangàna sikino ny hery
Fa ny Tompo no miantso anao
Ry vahoaka izay novonjeny
Miasà dieny misy azo atao,
Maro be ireo vokatra miandry anao
Nefa vitsy ny mahery fo
Ka manaiky ny hiasa
Hioty vokatra ho an'i Jesoa.
(Ho an'i Jesoa)

[S-A]
Sikino ny herinao
Tompo miantso anao
R'ilay novonjeny
miasà 'zay azo atao.
Maro ireo miandry anao
Mirosoa! Hahery fo,  hiasa koa
Ho an'i Jesoa.

Refrain :
Araraoty ny hatanorana
fohy dia fohy ny ananana azy
Sao ho nenin'izany ao afara
Ka mitsangàna atreho ny ady.

2-
[T-B]
Mandehana hazavao ny tontolo
Fa fanahy no hiasa aminao
Ry nahiratra ka velom-bolo
Mihazavà dieny misy azo atao.
Maizina tsy hifankahitana
Ny tontolo izay misy anao
Ireo tena mbola jamba
Hizarao ny mazava aminao
(Hizarao ny avy aminao)

[S-A]
Ny tontolo hazavao
Fanahy hiasa aminao
R'ilay velom-bolo
Mihazavà izay azo atao
Tsy hifankahitana tokoa
Oh, mandrese ity aizim-be
Mihazavà ianao.

Refrain

3-
Mitsangàna ka aoka hiady
Ady tsaran'ny finoana
Raha ny hery tsy ilaina mitady
Fa ny Tompo no hiantoka anao
Miankina tanteraka aminy
Mba handresy hatrany ianao
Mirosoa,  mazotoa
F'izy homba hitrotro anao.
(F'izy no homba anao).

Refrain
Ô..........
A/C Tovonanahary Augustin
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-peo Hoby Vontovorona
Vangy : 617
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mangazaka2
Daty : 24/12/2019 20:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724