Asandratray ny Haleloia (Amboaram-peo Hoby Vontovorona)

https://tononkira.serasera.org/hira/amboaram-peo-hoby-vontovorona/asandratray-ny-haleloia

Key D
1-
{Ry Andriamanitray,
efa nataonao ho fantatray
'Reo voahary manontolo,
Nomenao hanjakanay daholo
Fa ny tena mampisaina
Dia ny namoronanao ny aina
Ny fahefanao dia tsy takatray
maika fa Jeso nirahinao indray
Tonga hamonjy anay olom-bery
Jeso mahery} ×2

Refrain:

{Asandratray ny Haleloia
Ho Anao ry Rainay izay Mpiahy
Fa be fitiavana Ianao
Ny ratsy tsy mba sitrakao
Nijaly mafy hamonjy anay
Nisolo voina ny helokay
Tsy atakalo na voavidy volabe
Ny ranao sarobidy nitete
Ka dera laza,  voninahitra atolotray mandrakizay}  × 2
Tsiky dia ampy
2-
{Na hariva na maraina
Henonao ity fo mitaraina
Simban'ota ka sorena
Tompo ô, mila ny famonjena
Eto an-tany ts'hisy mamy
Mahakivy sy mampitomany
Ny teninao ihany no inoanay
Sakafo sy hery, toky ho anay
Ary entinay handresena 'lay ratsy
Io no mba vatsy.}  × 2

Refrain:

{Asandratray ny Haleloia
Ho Anao ry Rainay izay Mpiahy
Fa be fitiavana Ianao
Ny ratsy tsy mba sitrakao
Nijaly mafy hamonjy anay
Nisolo voina ny helokay
Tsy atakalo na voavidy volabe
Ny ranao sarobidy nitete
Ka dera laza,  voninahitra atolotray mandrakizay} × 2

A/C ANDRIAMANOHISOA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Amboaram-peo Hoby Vontovorona
Mpamaky : 203
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : mangazaka2
Tamin'ny : 14/03/2020 18:32:28
ID : 12611

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo