Raiso (Akon'ny Lanitra Ambohidratrimo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Efa ela aho no niala taminao ry Ray
Nandeha lavitra aho, nisitaka, nanadino Anao
Voaloto ny fo sy fanahy, feno fahadisoana
Nanalabaraka tena tsy mba mendrika Anao
Kanefa indro fa miverina manantona Anao indray
Raha to aka mety re Ianao dia inty ny zanakao
Raiso fa Anao

Refrain
Raiso aho amin’izao maha izy ahy izao
Atolotro ny foko na dia hoe feno loto
Raiso aho raha sitrakao
Manolo-tena aho anio ry Tompo ho Anao
Raiso aho

2. Mpanota aho ekeko, eny feno hadisoana
Tsy mendrika ny ho zanaka fa tokony ho mpanompo
Hinoako anefa fa Ianao dia tsy hanilika ahy
Fa handray ahy, hamerina ahy ho ankohonanao
Satria nomenao famonjena,
Fahasoavana, sy famin-dram-po
Ka mahatsapa fa voavela
Dia indro manolo-tena ho diovinao

Refrain
Raiso aho amin’izao maha izy ahy izao
Atolotro ny foko na dia hoe feno loto
Raiso aho raha sitrakao
Manolo-tena aho anio ry Tompo ho Anao
Raiso aho

Lead
Raiso aho ry Tompo na dia hoe tsy mendrika
Efa im-betsaka aho no efa rendrika
Nilentika anaty adalana, voagejan’ireo fahotana
Tsy nahita izay lalak’ombana
Tao anaty aizina tsy misy hazavana
Fa raiso Ray, raiso indray
Raiso aho ry Tompo na dia hoe variana
Sondriana, nahita hafaliana
Nankafy sy niaina haratsiana
Fahotana no nankamamiana
Nefa maniry ny ho raisinao
Ka mangataka aho raiso aho ho Anao
Raiso aho fa zanakao

Refrain
Raiso aho amin’izao maha izy ahy izao
Atolotro ny foko na dia hoe feno loto
Raiso aho raha sitrakao
Manolo-tena aho anio ry Tompo ho Anao
Raiso aho raha sitrakao
Manolo-tena aho anio ry Tompo ho Anao
Raiso aho raha sitrakao
Manolo-tena ho Anao ry Tompo o
Raiso aho

A/C: Rizia Rbrl
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Akon'ny Lanitra Ambohidratrimo
Vangy : 71
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fitiavana_Rbrl
Daty : 12/02/2026 10:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3459