TSY HISARAKA (AFAFI Taninanandrano)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izaho miara-voahombo aminao Ry Krisyty o
Aina vao no he mitombo  ao anatiko izao
Izaho lohan ny mpanota ha fe voavonjy koa
voasasa tamin’ny ota  voadionao tokoa

Izao re no fanekeko  izao atolotro izao
ny fanatitra omeko inty no ny foko ho lapanao
Mety angaha ho tsy sahaza nohon’ny ota izay natao
raha toa tsy mendrika aza Jeso o mba raisonao.

Izao no hany fifaliako ny hanara-dia anao
aoka re mba hotafiako izany hamasinanao
toy ny felana sy taho tsy hisaraka aminao
Raha toa ho faty aho dia eo am-panompoana anao.


AFAFI 1984
--------
Rohy:
Hevitra
Oulli ( 28/09/2015 14:07)
AFAFI Mandrakizay aho! Ity no hira fanevan'ny fiainako
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFAFI Taninanandrano
Vangy : 4693
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : NHIRI
Daty : 23/05/2009 10:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0823