NY ANTSAFIA

Nampiditra NYANTSAFIA
02/10/2014 10:52
Hiran'i NY ANTSAFIA 23 Jereo eto
Vangy : 1939
Mpankafy : 0 Ankafizo
Ny ANTSAFIA na koa hoe NY ANTSAN'NY FILADELFIA ANDRANORO dia antoko Mpihira, avy ao amin'ny Fiangonana FJKM FILADELFIA ANDRANORO.

Aiza no misy an'Andranoro?
Andranoro Antehiroka dia hitantsika eny amin'iny lalana makany Ivato iny ary rehefa tonga eo Ambohibao Antehiroka dia mivily tahaka ny hoe ho any amin'ny Kaominina.
Ahitana Mpikambana 70 ny Antsan'ny Filadelfia ary misy Mpandihy eo amin'ny 25 mianadahy.

Manana rakikira roa izy, Album 01: Fanekena ary Albym 02: An'ny Tompo aho.
Ny taona 2016 no nanokafana ny fankalazana ny fahafolo taona ka tsy nifarana izany raha tsy ny taona 2017.


Contact: nyantsafia@gmail.com
fb: ny antsafia
Voninahitra anie ho an'Andriamanitra.

Hevitra momba an'i NY ANTSAFIA

Mbola tsisy nametraka hevitra

Hiran'i NY ANTSAFIA (23)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144