Hodian-tsy hita ve? (Vola sy Noro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fiainana efa hita
Niarahana niampita
Ny be zay efa vita
Hodian-tsy hita ve?

Ny toky zay nomena
Ny dina nifanekena
Ny mafy noresena
Hodian-tsy hita ve?

Réf:
Kanefa ataoko ahoana
No hikosoka sy hanafoana
Ny zava-drehetra efa nisy
Eny sarotr’ izany indrisy

Ny rakitry ny omaly
Niarahana nifaly
Ny sento nifamaly
Hodian-tsy hita ve?

Ny ora nifaliana
Ny toera-nilasiana
Ny andrompihafiana
Hodian-tsy hita ve?

Réf

La la la la la
Hodian-tsy hita ve e?

La la la la la la
Hodian-tsy hita ve e?

Réf:
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vola sy Noro
Vangy : 6323
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Vola
Daty : 17/02/2005 14:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0657