Tsy mifametra ny aina (Voahangy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha izay no lahatra tinendry anjarakoHamela malalaka anao handao k’atao ahoana moa
Izay efa lasa
Aoka hoavalona ho tantara
Tsikin’olon-kafa
Eo anilanao izao no tsara
Izay efa lasa aoka iny hivalona ho tantara
Fa tsikin’olon-kafa ho anao izao no tsara.
Ny endrikao iny
Voatery hanaiky ho aiza intsony
Ny vavak’ hisedra hisaorako ny ao ambony
Namela hizara taminao fitia sarobidy
Nokoloiko ho tsara nefa nitandra ho ahy mangidy
Namela hizaka taminao fitia sarobidy
Voakolo ho tsara nefa nitandra ho ahy mangidy
REF.
Tsy mifametra akia ny aina
Nefa dia sahiko lazaina
Raha tambitamby teny mamy
Raha mbola hitia mbola ho vitako ihany
Ny tenako, ny aiko omeko ho an’izay dina iray nekeko
Fa ny ato am-poko kosa indray hikatona mandrakizay
Ny saiko ho zatra, mety ho afaka hanadino
Fa ny fo maratra sarotra ho azy akia ny hino
Manombok’eto
Zary ho anaran-tsy ho very
Tsy sahy ny mitia
Fa tsy haiko anie ny hitoetra irery
Manombok’eto
Zary ho anaran-tsy ho very
Ho hay ny mitia fa tsy haiko ny hitoetra irery
--------
Lien: