NY TEMPOLY (Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Ry tanora ô, moa ve fantatrao
Mankaiza izato lalanao?
Fa variana sy toa sondriana ery
Kanefa mikoro sy mikodia
Toa tsy fantatrao ny antom-pisinao
Fa isik'izao no tempoly
Sy vavolombelon'Andriamanitra
K'aza avela hanjaka ny devoly

REF:
Andao ary moa tena hiankin-doha
Amin'Andriamanitra Ray Tsitoha
Fa izy handrotsaka ny Fanahy
Hiaro anao ary ko hitahy
Ho tempoly velona mijoro tokoa
Ho sampana tsara sy mamoa


2. Ry tanora ô, mba ajanony
Ny toaka, sigara sy rongony
Fa mandoro sy manimba tokoa
Sy mandrava ilay tempoly soa
Manombok'izao tapaho ny hevitrao
Atsharo hatreo ny filibana
Fa ampy ho anao ny fahasoavan'iRay
Anio sy ho mandrakizay

A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO
--------
Rohy:
Hevitra
Sandosantos ( 26/04/2023 11:54)
Ry tanora ô, moa ve fantatrao hoe mankaiza izato lalanao?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro
Vangy : 575
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Sandosantos
Daty : 26/04/2023 11:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1373