FALY AHO (Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Faly aho tena faly aho, faly fa manana Anao
Ry Jesoa zoky be fitia, toky sy tanjako ety
Na dia sarotra aza ny dia, mbola hifalifaly satria
Andriamanitra Ray Tsitoha, mampahery tokoa

REF:
Tompo ô! 'ty ny tànako, ka soraty ny anarako
Fa Ianao no anjarako, làlanao re no làlako
Tsy mba misy izay iriko fa Ianao no nofidiko
Ny foko hiara-mitempo Aminao ry Tompo

Ravoravo koa ny fanahy, manana Anao mpanavotra ahy
Ka na dia efa trotraka, tsy navelanao potraka
Resy aho fa natsanganao, ka nomenao hery vaovao
Faly aho tena faly aho, fa manana Anao

REF:
Tompo ô! 'ty ny tanako, ka soraty ny anarako
Fa Ianao no anjarako, làlanao re no làlako
Tsy mba misy izay iriko fa Ianao no nofidiko
Ny foko hiara-mitempo Aminao ry Tompo

(Tonalité D)
A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO
--------
Lien:
Commentaires
hery ( 11/10/2023 18:10)
Inona ny tena anaran'ny tarika azafady?
Sandosantos ( 12/10/2023 11:55)
"Vetson'ny Fanantenana" no tena anaran'ny tarika, Antoko mpihira ao anatin'ny Rantsana fanantenana ao amin'ny FJKM Kristy Fiainana Bemasoandro Itaosy izay mijoro manaraka ny fenitra sy ny sata eo anivon'ny Sampana Vokovoko Manga foibe FJKM
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro
Visites : 204
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Sandosantos
Date : 11/10/2023 12:26
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726