FAHASAMBARANA (Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 Raha te ho voavonjy ianao, mila manao dingana vaovao
Ka adinoy avokoa, ireo toetra ratsinao taloha
izany dia tsy ho vitanao, na inon'inona fahaizanao
Raiso Jesôsy dien'izao, fa izy no hanafaka anao

REF:
Izay miankina amin'ilay Andriamanitra
No manana fiainan-tsambatra
Ka eto an-tany izao sy ianao dia efa misantatra
hitohy hatrany an-danitra any ny fahasambarana
Any tsy misy intsony izany adim-piainana
Tsy misy intsony fitarainana
ny saran-dalana mankany dia raisinao ety
Dia ny finoana an'i Jesoa Kristy

2 Ity zavatra lazaiko ity, dia mila anao handinika satria
Raha toa ianao ka hiova fo, mandalo fisedrana be tokoa
Kanefa aza taitra fa, Jesôsy anie ka tsy manary anao
Raha Izy no banjininao, tsy maintsy ho tafita ihany ianao

A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO
--------
Lien:
Commentaires
Sandosantos ( 17/02/2023 17:06)
Mila mahery mandrakariva isika na dia maro aza ireo olana maro samihafa fa Jesoa Kristy no miady ho antsika dia tsy maintsy mandresy isika
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro
Visites : 456
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Sandosantos
Date : 17/02/2023 17:04
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.076