INTY AHO RAIKO (TZA Lazaina (Tanora Zanaka Ampielezana - Lazaina))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ray ô!
Mpanota tsy mba mendrika ‘ty zanakao ,
Malemy saina hany ka dia mora lavo ,
Ray ô!
Mba te ho marina aho eo anatrehanao ,
Kanefa, Ray ô! Lalan-kafa indray no mba
Nalehako fa tsy ‘lay lalan-tsara efa nizoranao.

Ref:
Mbola ifonako ry Raiko tena tia,
Mbola inoako ilay tananao mitsotra,
Mitantana ahy , misarika ahy hanara-dia,
Fehezo, tano aho Raiko tia ô!

Ray ô!
Tena mba haiko ny mangataka Aminao
Sy ny manonontonona ny Anaranao .
Ray ô!
Mahay ny fombafomba fanompoana Anao aho,
Kanefa Ray ô! be ny diso vitako
Ary mandika ilay lalan-tsara efa nizoranao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TZA Lazaina (Tanora Zanaka Ampielezana - Lazaina)
Vangy : 1432
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Heriniaina_Andriamanjato
Daty : 11/07/2016 10:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719