INTY AHO RAIKO (TZA Lazaina (Tanora Zanaka Ampielezana - Lazaina))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ray ô!Mpanota tsy mba mendrika ‘ty zanakao ,
Malemy saina hany ka dia mora lavo ,
Ray ô!
Mba te ho marina aho eo anatrehanao ,
Kanefa, Ray ô! Lalan-kafa indray no mba
Nalehako fa tsy ‘lay lalan-tsara efa nizoranao.
Ref:
Mbola ifonako ry Raiko tena tia,
Mbola inoako ilay tananao mitsotra,
Mitantana ahy , misarika ahy hanara-dia,
Fehezo, tano aho Raiko tia ô!
Ray ô!
Tena mba haiko ny mangataka Aminao
Sy ny manonontonona ny Anaranao .
Ray ô!
Mahay ny fombafomba fanompoana Anao aho,
Kanefa Ray ô! be ny diso vitako
Ary mandika ilay lalan-tsara efa nizoranao
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : TZA Lazaina (Tanora Zanaka Ampielezana - Lazaina)Hits : 1519
Likes : 0 Like
Created by : Heriniaina_Andriamanjato
Date : 11/07/2016 10:53