Naleoko izy ho any (Tovo J'Hay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao izay mifankahita aminy
Lazao amiko ny momba azy
Lazao izay rehetra tiany
Sy izay mba maminy
Mbola tiany ihany ve ireo vazivazy?
Izy aloha dia mora fantatra avy hatrany
Tena kanto aoka izany
Tia ny harena , ny rendrarendra ,
Ny fiainana , ny vola ,
Lapasoa iainana

Ref Tena soa tena meva izy izay
     Tsy ho lefitry ny fo
     Aleoko izy ho any
     Tena soa tena meva izy izay
     Tsy lefitry ny fo
     Naleoko izy ho any

Izaho aloha dia tsy naharaka ny sitra-pony
Asa maro tsy maintsy tontosaina
Naleony ary niala tsy nomeny ahy ny fony
Tsy omeko tsiny izy
Azy no misaina
Ianao izay mifankahita aminy
Dia efa amboary dieny izao ny fo
Hiatrika ireo rehetra mety izay ho mafy hiandry anao

Efa niova hono izy ve ?
Sa mbola ohatr’iny ihany ?
Mbola zatra ireo fomba fanao hatrizay ela izay ?
Firifiry ireo fay aman-taona ohatra ahy
Ataony inona aho ?
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tovo J'Hay
Visites : 6993
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : admin
Date : 21/09/2002 10:16
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011