Antso (Tianasoa Razafindrabary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fony maty ny fanahy
Jamban'ny fahotana
Nivezivezy ketraka
Oe aiza no hiafarana
Toa maizina avokoa
N'aiza n'aiza aleha
Soa fa reko ny feonao
Niantso oe :

Fa fitiavana mandrakizay
No nitiavako anao
Nanolorako ny lahy tokako
Ekeo ny asany
Ny famonjena vitany
De ho velona indray ny fanahinao

Miantso anao e
Miantso anao ô !
Miantsoantso anao ny Tompo
Avia ianao ô avia ianao

Tsy ho nofinofy intsony
Zany oe fiadanana
Fa avelana hanjaka am-ponao ao
Raha matoky azy ianao
Ka zarao ami'ny hafa koa
Izany fahasoavany
Hisantarany  ny hafaliana rahatrizay

Fa fitiavana mandrakizay
No nitiavany anao
Nanolorany ny lahy tokany
Ekeo ny asany
Ny famonjena vitany
De ho velona indray ny fanahinao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tianasoa Razafindrabary
Visites : 614
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 12/01/2022 00:53
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114