Mba iza moa (Telofangady)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba iza moa no tsy hifaly am-po
Fa teraka ilay zaza tsy toa
Zanak'Andriamanitra
Tompon'ny tany sy ny lanitra
Mba iza moa no tsy hifaly am-po (2x)

Dia hiravo na dia mavomavo
Ireto ankizy tsy misy mpiahy
Na ny an-tanan-dehibe eny fa na ny any an-tsaha
Samy hiredona hoe HÔZANA
Dia hiravo tokoa (2x)

Dia hialavoly ilay vatana kola
Trotraky ny adim-piainana
Na dia tsy kilalao aza antenaina
Na dia hoe vatomamy kely hozaraina
F'izay hitany no andrandraina (2x)

Mba iza moa no tsy hifaly am-po
...
Mba iza moa no tsy hifaly am-po
...
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Telofangady
Visites : 1400
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : murielremi
Date : 12/11/2018 11:38
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6038