Miandry Jesosy (Tanora Masina Itaosy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hatrizay nandany andro nivezivezy ahoNankafy izao tontolo izao
Toa nanjary hadalana isan’andro no natao
Tsy nahatsiaro reraka aho
Nilomano tanaty fahalotoana tsotr’izao
Kanjo potraka ianao raha mihodikodina
Nanenjika izao tontolo izao
Dia nitady ianteherana sy iantsapazana
Fa nahatsiaro vizana
Lalana tokana no izoranao, Jesosy izao
Fiv : Atolory Azy anio ny fonao
Fa Izy miandry ny fiverenanao
Tsy hanisa ny ota izay efa vitanao
Raha mibebaka Ianao
Jesosy miandry ny fiverenanao
Naneneko ny andron’ny fahajambana
Nanaraka izao tontolo izao
Hay koa misy fiainana, fiainana any an-danitra
Izay nomaniny ho ahy
O ry namako avelao ny ditranao izao anio izao
Fiv : Atolory Azy anio ny fonao …
Atolory azy
Atolory Azy anio ny fonao
Fa (Izy miandry anao) Izy miandry ny fiverenanao
(Tsy hanisa ny otanao) Tsy hanisa ny ota izay efa vitanao
Raha mibebaka Ianao
Jesosy miandry ny fiverenanao
(Ny fiverenanao) ny fiverenanao
Izy miandry anao o o o
Ny fiverenanao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Tanora Masina ItaosyVisites : 316
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Anahy
Date : 20/03/2024 16:18