Mahatsiaro (Solomiral)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy andro mampanembona ahy
Malomaloka hafahafa toa mangina
Misy kosa angaha aloka miserana
Hahatsiarovako anao ry tiana

Ny elanelantany akory tsy ho tratra
F’izaho aty mahatsiaro tena ho mahantra
Mahantra lavitry ny fitiavanao
Ilay fitiavanao feno hasambarana

Mahatsiaro anao aho mantsy nefa mba ho aiza moa
Ny tsiahy sisa no miampy sentom-po
Misy olona izay anefa mba nafarako
Mino aho fa niantefa, niantefa am-ponao ny hafatro

Falafa tsy mba mendri-bahiny
No mbola hihaonantsika indray raha tsisy tsiny
Tao koa nirakitra ilay sarobidy
Dia lay fitiavana tsy very tadidy, tsy very tadidy.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Solomiral
Visites : 4338
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 16/08/2014 10:28
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109