Lalaina (Solomiral)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
LALAINA

Isan’andro izao aho malahelo anao foana
Haolo ny tontolo sy manjaonjaona ô! ô!
Tsy tafandry mandry mihitsy aho andro aman’alina
Hatramin’izay nandehananao izay dia ohatran’ny
Hafahafa be mihitsy aho

Fa voakabary lava aho aty lavitra aty
Fa mihira sy miantso ny anaran-dry ô! ô!
Fa be ny mpanakivy be ny mpanaratsy
Masa-bary maito kitoza retsy ny amintsika
Ka izay maminao dia tiako foana

Ref : Ry Lalaina, laina, ry Lalaina, laina
Mbola tia anao aho

Fa na ho rotidrotika aho vao mahita anao
Ny tiana fiafiana tsy atao kilalao
F’izay maharitra ihany hono no vadin’andriana
Fa amin’izao fahatongavanao izao aho
Dia tena mahatsiaro sambatra be mihitsy e!

Ref : Ry Lalaina ….
….
Mbola tia anao (x 4)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Solomiral
Vangy : 4700
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jonathan ANDRIAMANANTENA
Daty : 25/01/2005 11:32
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109