Bako (Solomiral)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
BAKO

Ampirimo amin’izay ny entan-kelintsika
Inty ny fanalahidy, andao handeha hidio ny trano
Mbola misy 3 volana ny fakan-drivotra, hoy aho,
Ry Bako, hiarahantsika milalao amin’ny fararano

Hilaozana kely aloha ilay toerana mahazatra
Iry efa miandry iry ny fiarakaretsaka,
Aza eo indry no variana miazoazo,
Volatantely no miandry antsika hoy aho ry Bako a

Impirimpiry aho no nilaza hoe : “hitondra anao irery any Antsirabe”
Any azoazo ny frais (azoazo ny frais any, any azoazo ny frais)
Impirimpiry aho, impiry aho no naniry hitondra anao irery any amin'i Tsiazompaniry,
Any tsy dia misy olona mitafa firy (tsisy tsisy olona firy any)
Bako a, Bako (any tsisy tsisy olona firy)
Andao handeha, Bako a !
Ô ! ô ry Bako, Bako, Bako, Bako (x4)

Ampirimo amin’izay ny entan-kelintsika
Inty ny fanalahidy, andao handeha hidio ny trano
Vita ny 3 volana nakan-drivotra, hoy aho,
Ry Bako a, niarahantsika nilalao amin’ny fararano

Hiverenana amin’izay ilay akanikelin-tsika
Iry efa miandry iry ny fiaran-tantsahy,
Aza eo indry no variana miazoazo,
Volatantely no vita tany  hoy aho ry Bako a !

Tanteraka ihany ity ilay faniriana hoe : hitondra anao irery any Antsirabe
Any azoazo ny frais (azoazo ny frais any, any azoazo ny frais)
Impirimpiry aho, impiry aho no naniry hitondra anao irery any amin'i Tsiazompaniry,
Any tsy dia misy olona mitafa firy (tsisy tsisy olona firy any)
Bako a, Bako (any tsisy tsisy olona firy)
Andao handeha, Bako a !
Ô ! ô ry Bako, Bako, Bako, Bako (x4)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Solomiral
Visites : 7988
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Jonathan ANDRIAMANANTENA
Date : 25/05/2003 15:59
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0337