kolikoly ve ? (sami FJKM ITAOSY)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Kolikoly ve? 1-Vola antsokosoko,ilay fanomezana tokoa toa zavatra maloto
Vola anterisetra,ilay hanafenana tokoa ny marina rehetra
Vola antsokosoko,ilay hanafenana ny kamo ho lasa hoe mazoto
Tena vola aloha ,hanafenana tokoa ilay ratsy mba ho soa
2-Vola risoriso,ilay hamadiana ny marina toa lasa zary diso
Vola anterisetra,ilay hividianana ny marina tsy ho hitan’ny rehetra
Vola aferafera,ilay hanakonana ny tara mba tsy ho diso lera
Tena vola aloha ,hividianana tokoa ilay marina sy to
REF:
Sahia ianao mandà rha sendra kolikoly
Alan’i Jesoa fa asan’ny devoly
Aza fatra-pila harena amin’ny kolikoly
Tena fahotana anie izy io no tsy mahasoa akory
Fa ho anao milaza fa mpianatry Jesoa
Hambarao ny marina ,hambarao tokoa
Ekena fa ny vola no maha-rangahy
Fa raha kolikoly kosa re :sahia ianao mandà
Sahia ianao mandà rha sendra kolikoly
Alan’i Jesoa fa asan’ny devoly
Aza fatra-pila harena amin’ny kolikoly
Tena fahotana anie izy io no tsy mahasoa akory
Fa ho anao milaza fa mpianatry Jesoa
Hambarao ny marina ,hambarao tokoa
Tsy misy kolikoly ny fiainan-danitra
Tsy miangatra anie ny fitsaran’Andriamanitra
TSY VOVIDY VOLA ANIE NY FITSARAN’NY LANITRA
A.Hery RAZANAKOTO
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : sami FJKM ITAOSYVisites : 373
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : feotsotrakoto
Date : 03/03/2025 09:05
