Ampidiro aloha ny tenimiafina
ho mpandresy (sami FJKM ITAOSY)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1– Tsy misy miafina Aminao ny fiainanayMila hahakivy ny saina , mahakivy fo
Toa tsy misy antenatina ,mila handreraka ny aina
Nefa mahatoky aho Jesoa fa miaraka Aminao
Miezaka hatrany aho ry Tompo amin’ny ataonay
Mba harotsahy aminay ilay fitahianao
Ka mahatoky aho ry Tompo ‘lay fahasoavana avy Aminao
No mahatonga anay miaina toy izao
2-Tsy miafina Aminao koa ny ady hatrehanay
Mial tsy ho zaka intsony , mampiferonaina
Fa izay rehetra atao dia toa very maina avokoa ireo
Nefa mahatoky aho Jesoa fa miaraka Aminao
Miezaka hatrany aho Ry Tompo hanao ny tsara hatrany
Mba arotsahy aminay ‘lay fiarovanao
Ka mahatoky aho ry Tompo ‘lay fiarovana avy Aminao
No mbola mahatonga anay miaina toy izao
REF:
Ianao ry Tompo no efa nanambara hoe :
Ny zanako sy asako aleo ho adidiko ihany reo
Aza avela ho resy raha sendra ny ady re
Ho mpandrsy ihany koa raha mino an’i Jesoa
Ho mpandresy ihany koa tahaka an’i Jesoa
ANDRIAMIZAKA Hery Razanakoto (21/04/2023)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : sami FJKM ITAOSYVisites : 203
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : feotsotrakoto
Date : 06/03/2025 06:55
