Tsiambaratelo (RR Majunga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy tsiambaratelo
Tsiambaratelo
Tsy atoroko, tsy alazalazako anao
Raha te-hahalala izany
Anontanio io kintana sisa mitsilopy io

Indray maraina tomaratra izay
Ny volana mbola teny ho eny
Ny vorona kosa faly
D’injay mikalo miatsinana any
Tamin’izay sendra nandalo
Olona iray tsy hohadinoiko

Io no tsiambaratelo
Tsiambaratelo
Tsy natoro, tsy nolazalazaiko anao
Hany mba mahalala izany
Anontanio io kintana sisa mitsilopy io

Indray maraina tomaratra izay
Ny volana mbola teny ho eny
Ny vorona kosa faly
D’injay mikalo miatsinana any
Tamin’izay sendra nandalo
Olona iray tsy hohadinoiko

Io no tsiambaratelo
Tiambaratelo
Tsy natoro, tsy nolazalazaiko anao
Hany mba mahalala izany
Anontanio io kintana sisa mitsilopy io
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : RR Majunga
Visites : 6626
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Bitika
Date : 26/02/2003 16:28
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115