Ry Mozika (ROLF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hatramin’izay aho dia efa vonona ny hiafy
Mba hilalaovako aminao fa mahery mafy ilay afo
Niari-tory lava aho nanoratako ho anao, ry Mozika

Noavahanao tamin’ny sasany aho, manao revy hafahafa
Sarotra ho tian’izay tsy main’ilay afo
Toa donginao izay toerana mibahana ato am-poko, ry Mozika

Mba valio aho
Fa efa be izay nomeko anao
Valio aho
Na ny fananako na ny aiko
Valio aho
Izaho irery foana no navelanao ho ahy

Raha tsy nanana anao aho dia tsy haiko izay niafaràko
Tsisy afa-tsy ianao no mahazaka ny adalàko
Mba omeo hasambarana aho, ilay noresahako taminao, ry Mozika



Mba valio aho
Fa efa be izay nomeko anao
Valio aho
Na ny fananako na ny aiko
Valio aho
Izaho irery foana no navelanao ho ahy
.....

ROLF
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : ROLF
Visites : 2993
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : rac
Date : 01/11/2005 21:03
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132