MPAMOSAVY (ROLF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MPAMOSAVY

Any Afrika , génie no iantsoana azy
Tany Eraopa, « sorcier » tamin’ny « moyen âge »
Eto amintsika, mpamosavy miaodiaody
Mampitsaoka, bibilava mandadilady re !

Mpamosavy, io ilay mpamosavy ho aho !
Mpamosavy, io ilay mpamosavy ho aho !

Mihoso-menaka hono izy mba tsy hisamborana azy
Mitanjaka hono izy na dia efa ririnina aza
Mandeha alina hono izy, matsatsaka hazavàna
Fa olon-tsotra hono izy rehefa masoandro migaina

Miantsena
Mivarotra
Mampiaraka
Mirevy, mikaroka…nefa…

Mpamosavy, io ilay mpamosavy ho aho !
Mpamosavy, io ilay mpamosavy ho aho !


Mpamosavy, io ilay mpamosavy ho aho !
Mpamosavy, io ilay mpamosavy ho aho !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ROLF
Vangy : 2598
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 10/12/2003 05:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8741