MPAMAKY RANOMASINA (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MPAMAKY RANOMASINA

1 - Toa misy olona kay 'lay tany nampanantenainy e,
Dia mitolona indray ny amin'izany e,
Mila tsy hahatoky izay nolazainy e,
Rapeto mianakavy ao miandry vavahady e,
Lehilahy mahery isan'andro izao tonga miantsy ady e,
Ny zava-misy mikiaka hoe...
Andeha ho aiza ise?
Tsy hainy hoe ny fanahiko anie efa nandre,
Ny maso mijery milaza fa tapi-dalan-kaleha
Tsy fantany fa ny Andriamanitro anie ngeza be :

REF - Hanao lalana indray Izy e,
Hanao lalana indray Izy e,
Ny tanany no hampiampita,
ny zanany tsy maintsy ho tafita.
Hanao lalana masina e,
'Lay Mpamaky ranomasina e.

2 - Manenjika ao aorinako ao Farao sy ny forongony e,
Manao 'zay azony atao mampihorohoro hoaho ny godon'ny tongony e,
Vavabe isan'andro sy zana-tsipika e,
Iza hono no Andriamanitra hahavonjy antsika e,
Ny zava-misy mikiaka hoe...
Andeha ho aiza ise?
Tsy hainy hoe ny fanahiko anie efa nandre,
Ny maso mijery milaza fa tapi-dalan-kaleha
Tsy fantany fa ny Andriamanitro anie ngeza be :

Ho any amin'ny tany hay e,
Hiboiboika moharano ô,
Tsy hisy adala ho very e,
Ny varavaran'ny tranonay e,
Tsy ho tafiditra angano ô,
Ny ran'ny Zanak'ondry mahery e :

REF - Hanao lalana indray Izy e,
Hanao lalana indray Izy e,
Ny tanany no hampiampita,
ny zanany tsy maintsy ho tafita.
Hanao lalana masina e,
'Lay Mpamaky ranomasina e!
--------
Rohy:
Hevitra
Tovomahefa_RANDRIAMBOAVONJY ( 10/03/2020 15:43)
Tsara loatra ity hira ity
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 4983
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tovomahefa_RANDRIAMBOAVONJY
Daty : 13/03/2020 18:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734