Ampidiro aloha ny tenimiafina
Tiako loatra jesoa (Riampeon' Ny Maritiora)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo tsara indrindra o! Tena nomenao eho ahy tsy mba nila tambiny na kely monja aza re
'Zato zava-tsoa tokoa miboika isan'andro
Atolotrao ho ahy daholo 'zay iriko sy angatahiko
na izay tsy fantatro aza kanefa mahasoa
Ref:
Tiako loatra ianao jesoa eo anilako
Tiako loatra ianao jesoa ho mpitantana ahy foana e
Tiako loatra ianao jesoa fa tena manome soa
Kanto e! Meva e! Tsara e! ianao jesoa...
Inona no havaliko anao ry Jesoa o
fa efa nomenao ahy tokoa ny zava-boahary mba ho ahy koa
Sy izay eo aminy, mivoatra tsy lany.
Ny tenako raiso mba ho fitaovan' eo am-pelatananao ry Tompo tia o
fa ekeko izao.
Ref: Tiako loatra ianao jesoa...
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Riampeon' Ny MaritioraVisites : 2184
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : keuvin4
Date : 07/03/2016 12:56
