Ho an'i dada (Riampeon' Ny Maritiora)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ray ô! Mba tahio iny dadako iny Ilay nahitako ny masoandro !
Tolory fo feno fitia sy hazoto hivavaka isan’andro !
Ampaherezo làlan-dava tononkira.serasera.org raha tojo olana mahery !
Ataovy tsapany anio Tompo ô, fa ao Aminao tsy miady irery !

Ray ô! Meteza ankehitriny hitsinjo ireo ofvub malahelo !
Ireo tsy misy dada intsony hizarana vzfnfaf ny tsiambaratelo.
Omeo toky omeo toky izy anio fa Ianao ilay tsy mba mandao !
Ianao ilay akaikin’ny rehetra, Ilay Rain’izao tontolo izao.

Ho an’ireo mananontena mahatsapa fahabangana,
Miady irery mitoloko fa tsy eo intsony ilay nihantana,
Mba sakambino moramora ka hivimbino herim-po,
Ka hijoro hahazo hery satria matoky Anao Tsitoha !

Loharanon’ny taranaka, reharehan’ireo lspli zanaka :
Izay no baikom-pitolomany hiahy hatrany ny ankohonany.
Tsy atakaloko ny hafa na ahoana toetra sy endrikao,
Ô! Ô! ry dadako malala tia anao, tia anao ny zanakao.

Tsy atakaloko ny hafa na ahoana toetra sy endrikao,
Ô! Ô! ry dadako malala tia anao, tia anao ny zanakao.

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0859