Any ho any (Reko - Fy & His Band)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mandroso mankany mankany ahoNa tsy mahita lalana aza tsy very izany
Satria manana Anao mpitari-dia
Na ny alina aza tsy maizina aminao izany
Aminao ny alina mazava toy ny andro ihany
Satria Ianao fitia
Rahoko amin'ny andro, afoko amin'ny alina
Na atao miodikodina aza aho tsy fanina
Fa mitondra ahy any ho any Ianao
Tsy haiko mazava hoe aiza
Fa haiko hoe tsara
Ny asa tsara natombokao tsy hajanonao izany
Mety ho lavo im-pito ny marina fa miharina ihany
Satria manana Anao Mpitia
Rahoko amin'ny andro, afoko amin'ny alina
Na atao miodikodina aza aho tsy fanina
Fa mitondra ahy any ho any Ianao
Tsy haiko mazava hoe aiza
Fa haiko hoe tsara
Mitondra ahy any ho any Ianao
Tsy haiko mazava hoe aiza
Fa haiko hoe tsara
Rehefa eo anilanao fotsiny aho
Dia izay no ilaiko(x2)
Rehefa eo anilanao fotsiny aho
Dia izay no ilaiko(x2)
Sy haiko hoe tsara
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Reko - Fy & His BandVisites : 26
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : MiradoAndrian
Date : 26/03/2026 12:29
