Tsy tara (Reko - Fy & His Band)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao no namiratra indrindra tamin’ireo kintan’ny lanitra,
Tamana aho niandrandra satria ny foko voasambotra.
Nantsoina aho hisafidy izay tiana,
Ianao no nalaiko satria ianao no efa niriana.

Dia nandeha ny fotoana, tsy hay hajanona tsinona,
Dia nandalo lohataona, dia nandalo ririnina.
Dia hitako fa mora ilay mifidy izay tiana fa ny sarotra dia eo amin’ilay mitia ilay nofidiana e.

Oooh! Malala a! Ny fitiavana fianarana, isika mbola tsy tara.
Oooh! Malala a! Tsara fa marary, marary nefa tsara.

Ianao misitery ho ahy, izaho misitery ho anao.
Toa diso foana aho, ianao mahay ny lalao.
Isika samy mahalala izay tokony haleha fa ny hatongavana any mbola ezaka be.

Oooh! Malala a! Ny fitiavana fianarana, isika mbola tsy tara.
Oooh! Malala a! Tsara fa marary, marary nefa tsara.

Na sarotra na mora, isika tomponandraikitra.
Hiara hiady isika, tsisy ho varotra tsy raikitra.
Hifampihaino, hifanangana, hifampiaro, hifampiharitra.
Dia isika roa no hamiratra indrindra eny amin’ny lanitra e

Oooh! Malala a! Tsara fa marary, marary nefa tsara.
Oooh! Malala a! Ny fitiavana fianarana, isika mbola tsy tara.

Ianao no mamiratra indrindra amin’ireo kintan’ny lanitra,
Tamana aho miandrandra satria ny foko voasambotra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Reko - Fy & His Band
Vangy : 623
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : MialisoaMu
Daty : 12/02/2025 17:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1294