Hatraiza / Aza avela (Reko - Fy & His Band)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nataonao izay nataonao
Ny hamonjy ahy no tanjonao
Ny hamonjy ahy no tanjonao.

Nozarainao izay tsapanao
Nefa toa verivery kely aho
Toa verivery kely aho.

Fa tsy haiko akory ary aho raha mbola mino
Izay rehetra ezahinao lazaina
Izaho ity anie ka mora manadino
Ka toa velombelona eny aho fa tsy miaina.

Indro re ny masoko bnanjino
Tsofy an-tratrako ao indray ny aina.
Ny fahamarinanao no aoka hanadio
Sy hanavao ny saina

Hatraiza?
Ny fitiavanao ahy, lazao hatraiza?
Hatraiza?
Ny fitiavanao ahy, lazao hatraiza?


Mbola ho eo hanangana ahy ve ianao
Rehefa tsy mety intsony aho satria leo
Leo ahy sy leo anao
Tsy mahatoky
Tsy matoky.

Fa tsy haiko akory ary aho raha mbola mino
Izay rehetra ezahinao lazaina
Izaho ity anie ka mora manadino
Ka toa velombelona eny aho fa tsy miaina.

Indro re ny masoko bnanjino
Tsofy an-tratrako ao indray ny aina.
Ny fahamarinanao no aoka hanadio
Sy hanavao ny saina

Eh eeh

Fa Ray be fitiavana ianao.
Zanaka famelana heloka ianao.
Fanahy mitantana ahy.
Ianao, Ianao.
Ray be fitiavana ianao.
Zanaka famelana heloka ianao.
Fanahy mitantana ahy.
Ianao, Ianao.

Aza avela aho raha tsy mihavao ny saiko. (8x)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Reko - Fy & His Band
Vangy : 290
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 14/11/2024 16:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0779