Iny zanako iny (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maloka maraina iny vodilanitra iny e
Fa voasingotra aina mantsy e ! ilay tsy manan-tsiny
Ilay vao nianatra namindra, nampianarina hiteny
Ilay tsy foin’I Dada indrindra hany kilalaon’I Neny.

Mafaitra loatra sy mikitroka tanteraka
Ny anjara omena ity fo niteraka
Tsy zaka atelina masiaka loatra ianao ry tany
Efa ts’isy afa tsy iny, mbola lasanao ihany.

Ref :
Fa maninona ny malalako
Tsy foin’ny tanako
Toa tsy reko intsony ny fitempon’ny fonao
Fa maninona ho’aho ny malalako
Ilay tokana an-tanako
Dia tsy handre intsony
Ny firadaradanao.

Mirediredy toa adala
Ts’isy farany hoe ny zanako, zanako, zanaka tiako izy iny
Ry Raiko ao ambony o! aza omenao tsiny
Fa ny fo sy saina mihitsy no tsy mety mino.

Fa iny volana iny ho’aho toa miangatra
Ny fahavelomana hay nofy tsy fantatra
Ilay bika soa fahiny ho lasa vovo-mipariaka
Ka ny efitra fandriany hisolo vato mangatsika.

Ref :
Fa maninona ny malalako
Tsy foin’ny tanako
Toa tsy reko intsony ny fitempon’ny fonao
Fa maninona ho’aho ny malalako
Ilay tokana an-tanako
Dia tsy handre intsony
Ny firadaradanao.

Ouh ! Ouh ! Ouh ! Ouh ! Ouh !

Hionona ity fo malahelo
Mbola hionona ity fo malahelo
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Rebika
Visites : 8760
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : Tsiky
Date : 25/02/2003 12:46
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0293