Vatofehizoro (évangélique) (Rambao)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miandry foana isan’andro isan’androNy fihavian'ny Tompo zokinay
Jesosiko iny e, ilay fitarik'andro
Tompon'ny fiainana mandrakizay
Ny hafatrafatra noantitrateriny hoe
Mifankatiava tsara ianareo
Ny kapoka sy ny jaly noleferiny
Dia famonjena ho antsika rehetra ireo
O antenaiko fa akaiky dia ho avy izy
Ka ny hankohonany ho faly izay tsy izy
Nefa na ho ela na ho haingana izany
Tsy mampaninona andrasako ihany
Zakaiko mora mba ho ahy samirery
Satria fitia tsy natao an-tery
Ny velirano izay efa najoro
Dia manamafy ilay vatofehizoro
Fa fahoriana mavesatra tokoa no
Hidirana ny fanjakan'ny lanitra
Izaho akory tsy hoe hamoy fo
Fa manana anao Tompo Andriamanitra
Eny hinoko ho fitia diavolana
Andro mamiratra mandrakizay
Fiadanana izay tsy mba ahitana olana
No toera-masina izay ho vantaninay
Miezaka mafy mitsinjo ny ao afara aloha
Fa raha tsy izany tsy misy lapa soa
Adidy maro mavesatra sy ngazana
Tompo ô ampio re ny tanindrazanay
N’inona n’inona onjan’ny tany
Tsy kivy akory fa andrasako eto ihany
Ny velirano izay efa najoro
Dia manamafy ilay vatofehizoro
--------
Lien:
