Manina azy (Ramaroson Wilson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny foko ve no manina lava
No manembona foana ilay hany malala
Tsy afaka imaso ilay endriny soa
Toa hitako taratra ao am-poko tokoa

Sa izy ve dia torak'izany
No toa hafahafa zareo 'tony tany
Hatramin'ny toerana izay misy azy
No jerijereko f'izaho manina azy

Hokolokoloiko sy ataoko andrimaso
Hotsiditsidihako eto mazana
Hovangivangiako matetika koa
Hotazatazaniko ombieny ombieny

Raha sendra ka ory hampifalifaliako
Hotambatambazako rotsirotsiako
Fa olona tiako sy olona mamiko
Hojerijereko f'izaho manina azy.

Ny foko ve no manina lava
No manembona foana ilay hany malala
Tsy afaka imaso ilay endriny soa
Toa hitako taratra ao am-poko tokoa

Sa izy ve dia torak'izany
No toa hafahafa zareo 'tony tany
Hatramin'ny toerana izay misy azy
No jerijereko f'izaho manina azy.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ramaroson Wilson
Visites : 831
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : hery
Date : 25/12/2021 19:42
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147